Login/Register

BIMTT

Post Title
Post Title

CARITAS MADAGASCAR

Caritas partage la mission de l’Eglise Catholique de servir les pauvres et de promouvoir la Charité et la Justice partout dans le monde.

Post Title

ADY AMIN'NY ARETINA SY FOSITRA MPAHAZO NY VOLY

Izy ity dia boky kely iray ity dia natao mba ho fanoroana sy fampahafantarana ireto singa manaraka ireto : 1. FEPETRA MAHASALAMA NY ZAVAMANIRY 2. IREO ASA FIHARIANA ENY AMBANIVOHITRA AMPIASANA NY IPM SY NY PERSUAP 3. FIAROVANA ARA-PAMBOLENA (Lutte agronomique) 4. FIADIANA AMIN’NY FAHAVALO Isan'ny hita ao ihany koa ireo karazana tekinika toa ny Tekinikam-pambolena fisorohana (GAP), Tekinika fisorohana (IPM),Tekinika Fitsaboana ary indrindra ahitana ireo karazana ady gasy. Boky amin'ny fiteny malagasy

Post Title

Ady amin'ny fahavalon'ny Voly

Luttes biologiques contre les ennemis de cultures en version Malagasy

Post Title

Fanatsarana ny fiompiana akoho sy voron-tsiloza

Boky iray amin'ny fiteny malagasy izay entina hanoroana : Ny atao oe akoho gasy ireo fomba fisafidianana ny akoho azo hangalana taranaka Boky kely entina hanoroana ny fomba fanamboarana tranon'akoho gasy nohatsaraina sy ireo akora amin'izany. Hita ao anatin'inty boky iray ity ihany koa ny fomba fiompiana ny akoho sy vorontsiloza sy ireo sakafo ary ny fomba fampanarahana azy.

Post Title

Fifandimbiasam-boly amin'ny Ambatry na Amberivatry

Ny fifandimbiasam-boly amin'ny Ambatry na Amberivatry izay fantatra amin'ny anarana ara-tsiantifika oe "Cajanus Cajan". Boky iray entina manoro sy mampahafantatra antsika ny antony lehibe tokony hambolena ny Ambatry sy ireo vokatsoa lehibe entiny na amin'ny lafiny ambonin'ny tany na ambanin'ny tany. Boky mirakitra ireo fotoampambolena ny fomba fambolena azy ireo elanelana tokony arahina.

Post Title

Fiompiana Kisoa

Boky amin'ny fiteny malagasy mitondra ny lohateny : "Fiompiana Kisoa " Boky mizara lohateny 5 lehibe : Karazana kisoa Ny fitondrana ny fiompiana Ny aretina sy ny fahasalaman'ny Biby Ny vokatra azo avy amin'ny fiompiana Ny fitantanana ny fiompiana

Post Title

FISY TEKNIKA MAROLOHARANO

Fisy teknika : Entina hanoroana ireo karazana fikafika na torohevitra mahakasika ny fanamboarana MAROLOHARANO na "RAMPE APPARENTE PEBD - GAINE MICROTUBE". Ahitana ihany koa ny fomba fikojakojana ary ny fomba fampirimana.

Post Title

FISY TEKNIKA MAROLOHARANO

Izy ity dia fisy teknika entina hanoroana ireo fomba fikarakarana sy ny fanamboarana ny maroloharano izay milentika ambany tany.

Post Title

Fisy teknika Paompy

Fisy teknika manoro antsika ireo karazana paompy afaka amboarina, ny fomba fampiasa azy na voizin-tanana na voizin-tongotra. Amin'ny fiteny malagasy ranoray.

Post Title
Post Title

Voly Garana

Ny Garana "Passiflore" na koa oe "fruit de la passion", "grenadille": Ny Garana dia mitondra ny anarana « grenandille » na « fruit de la passion » amin’ny teny vahiny dia manana ny anarana siantifika passiflora sp. Ao anatin’ny Fianakavian’ny zavamaniry passifloracées, avy any Amerika atsimo no nihaviany. Inty boky iray inty dia hanoroana antsika ireo teknika amin'ny fambolena, fampitomboana ary ny famokarana azy. Ny garana ihany koa dia azao anaovana voly mifangaro amin’ny voly hafa izay azo atao tohanany velona « tuteur vivant » na ilay antsoika oe "espaliers", izany oe miaraka amin'ny tariby, mbola maro akarizany ny teknika hita ato anatin'inty boky iray inty.

Post Title

Voly Jirofo

Ny Jirofo na antsoina amin'ny anaran-tsiantifika oe "Eugénia Caryophyllus" izay ao anatin'ny fianakavian'ny Myrtacée. Inty boky teknika iray inty dia entina ampahalalana antsika amin'ny ankapobeny ny atao oe jirofo, ny fihaviany, ny mety ho haavony sy ireo toetoetrany. Hita ato ihany koa ireo antony mety hilana ny jirofo amin'ny andavanandro na atao amin'ny sakafo fihinana, vanilline (artifisialy), atao essence ( Eugenol) ary ireo fanodinana azy eny hatramin'ny fandidiana (chirurgie). Boky teknika iray entina mampahafantatr antsika ihany koa ny toe-tany ilaina raha hamboly Jirofo, ny hazavana ilainy sy ny haavo mihoatra ny ranomasina

Post Title

Voly kabaro

Ny voly Kabaro na "Phasolus lunatus" (anarana ara-tsiantifika) izay fianakavian'ny Papilionacées. Boky iray entina manoro ny fomba fisafidianana ny tany ambolena ny kabaro, ny fotoam-pambolena, ny mari-pana, ny rano, ny hazavana ary koa ny haavo miohatra amin'ny ranomasina. Hita ato ihany koa ireo karazana kabaro mety eto Madagasikara, ireo faritra mpamokatra.

Post Title

FAGNAJA (FAmbolen-katae naho faGnajam-bola magNampe Amy ty tsy fanJaria mahakama Atimo atoy”)

C'est un projet pour l'amélioration de l'insécurité aimentaire dans la partie Grand Sud de Madagascar